HANORATRA AHOHanoratra (RAKOTOMALALA Mandimbison Fenoantra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HANORATRA AHO

Hanoratra aho
Hanoratra foana
Hanoratra ho anao
Raha mbola misy ny fotoana!

Hanoratra aho
Hoan'ireo taranako
Mba ho hendry tsara ianao
Ry zanako!!!
Noho ity soratra ity!

Hanoratra aho
Ho hany tanindrazako
Lalaiko sy malalako
Ho hany ireo maty maritiora
Ho ataoko tantara

Hanoratra aho
Ho hany firenena
Izay maty manantena
Miandrandra harena
Fa tsy mahita vokatsoa
Hanoratra aho noho isika koa!

Hanoratra aho
Ho hany ireo mahantra
Dia hiandrandra lanitra
Hiantso an'Andriamanitra
Hoe ampio izy ireo!

Hanoratra aho
Hapetrako ho arena

Fenoantra(RFM)
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
864 1
Mpakafy: fenobe3
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136