RAMOSE (RAKOTOMALALA Mandimbison Fenoantra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ianao ramose rehefa mampianatra
Misy tovovavy tia jerijery
Tara aminao ve! Sa misatatra ?
Izany voaloham-pitiavany rakalakely

Ramose variana manazava lesona
Fa ny sainy toa tsy amin'izany
Laozan'ny mandinika an-dramose sady miesona
Tsy mikipy nefa mahavita nofy mamy

Ramose tsy mahafatatra na inona na inona
Fa ny fitiavany mitombo ihany
Sadaikatra izy te hiteny hoe izaho bajinina
Fa fisain-dramose toa tsy amin'izany
Dia nanakatra nofy ary lay mpianatra
Zany ka tena nofy tsara
Lazaina fa nofy tonga lafatra
Nefa ramose tsy mety ho tara

Adala rehefa tia
Zarany koa aza misy adalaina
Ramose ihany hono no tiny satria
Mba efa matotra ara-tsaina

Dia nandeha ny andro niova ho volana
Tapa-kevitra lay mpianatra
Nahatsiaro ny tenany ho nanan'olana
Ka nitory fitia tamin'ilay npampianatra

Raha ramose hono no miaraka aminy
Fahasambarana no hita
Lay orokorokan-dramose tao anaty nofy tena maminy
Nefa vetivety ihany dia vita

Sadaikatra ramose tamizany
Tia hiteny nefa menatra
Tena izy ve? sa hanihany
Zavatra lazainy lay mpianatra

Dia nifarana teo ary lay tantara
Fa ny tohiny mbola tsy ho hay
Ny fanirina dia hitohy tsara
Ary ilay nofy hampitambatra iray

23 mey 2015
--------
Rohy:
893 1
Mpakafy: fenobe3
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141