HO AN'I DADA (RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
 Isaorako ianao ry Dada
 Fa nanaiky ny adidy izay napetraka
 Nanao izany ankitsim-po
 Nanao izany tsy andolo-po

Nitaiza ahy, sy nanabe
Nitrerona, nikapoka, sy nifehy
Nanoro ny lalana tokony hizorako
Nanosika ahy tamin’ny fianarako

 Nisorona ho ahy raha sendra aho ka noana
 Nanafy ahy tsy ho olon’olom-poana
 Nampifaly ahy raha sendra aho tomany
 Naneho fitiavana tsy nisy otrizany

Nanohana ahy raha indro aho ka lavo
Nikasa hatrany ny hanandratra ahy ho avo
Nanao izay niavahako tamin’ny rehetra
Nibango, nanadio mba tsy ho voretra

 Nitaiza ahy tamin’ny finoana
 Ahatonga ahy ho lasa olom-banona
 Nanampy aram-panahy tsy ho lotoana
 Mba ho tahiana amin’ny asa sahanina

Nanome ny rehetra izay nilaiko
Nanao izay nahafinaritra ny saiko
Nandany vola aman-karena
Mba ananako ilay fahendrena

 Tsampako ankehitriny
 Fa tsara nohon’ny dada rehetra ianao
 Noho ireo vitanao fahiny
 Dia ilay fitia tsy ankilabao

Dada a! atolotro ho anao ity asa-soratro
Mba ho solon’ny fisaorako ho anao
Koa raiso ary inty aingam-panahy
Ho ela velona ianao, Jesosy hitahy!
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
937 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145