MIVERENA! (RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Latsam-paka ao anatyIlay fiarahana taloha
Hatreto aloha tsy maty
Fa tafalatsaka ao am-po
Moa ve tadidinao
Ilay isika niara-droa
Dia toa tsy hifandao
Fa nifankatia tokoa
Tao anaty fahasambarana
Satria nafana ilay fitia
Koa vao niditra ny varavarana
Dia ianao no nanenika ahy akia
Indrisy anefa ry ilay malalako
Fa nankaiza ilay fitia ?
Sa efa lasan’olon-kafa ?
Aza misy izany sanatria
Tiako loatra ianao ry vadiko
Tsy mbola niova ilay fitia
Koa izao ny ahy ny voadiko
Ho tia anao aho ho doria
Ekeko ho ahy ny fahadisoana
Koa inty re aho mifona
Hadinoy ny ratsy izay niseho
Ny tokantranontsika mba jereo
Ry vady mamiko tsy foiko
Miangavy anao aho, mitoloko
Miandry anao , ka manantena
Miantso anao aho, miverena !
--------
Rohy:
Mpakafy:
RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà - tiahservice
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : RAKOTONJANAHARY Tojosoa EjicàNampiditra : tiahservice
Daty : 18/12/2019 11:43