Vokatry ny fo (ranaivoharijaona rado liantsoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fararano hoy ianao
Fiotazana ny vokatra
Izao volon'andro izao
Ka faly ianao nilaza
Faly fa hitavana
Sy tena hanaram-po
Amin'izato vokatra
Tsy fantatra mazava
Ny mahagaga koa
Ny volon-danitra aza
Milaza fa ririnina
Koa fararano ahoana?
Ary vokatra inona
No nde hotazanao?
Vokatra mba fininana sa
an an Aleo ihany amin'izao
--------
Rohy:
Sokajy : FITIAVANA
1305 1
Hevitra mandeha
andriary ( 11/04/2005 11:49)
Lalina ny hevitra tianao haposaka ka saro-patarina , ny elanelan'ny fararano sy ny ririnina!nefa hita fa milafa fahadisoam-panantenana na fahadisoan-kevitra!fampitana hevitra poetika ...
misaotra e!
Merinaforever ( 12/04/2005 23:41)
Indraindray dia azon'ny fakampanahy hitsaratsara foana ny mpitsikera.Maikamaika fotsiny ka tsy mahatsikaritra ny hevitra miafina.Marina tokoa fa tsy maintsy atao ny fihoazana ,ary rehefa vita izany dia tena hita ny vidin'ny sangan'asa.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ranaivoharijaona rado liantsoa
Nampiditra : proost
Daty : 11/04/2005 09:07
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096