leo (RANAIVOMANANA M Jean Félix)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Teo ambaravaran-kely aho no nisainaSy nanamafy herin-tsaina ,
Ny torimaso tsy hita intsony ;
Mikarokaroka ny vavony
Ny adin-tsaina tsy voavono
Ny siokany vorona nefa tony
Fa nahoana moa izato ianao, no nandao?
Leo ve dia tsy sahy niteny ?
Ny anjara ve no tsy mitovy ka dia indro ianao fa nody !
Leo angamba hoy aho dia tsy niraharaha
Ny masoko no mivandravandra ao anaty aizina ao
Ny saiko toa mahita indray ny tanantsika mifandray
Indrisy hoy aho fa nofy izany
sady saika hitomany ;ka nisento vetivetika
Leo hono izy hoy ny saiko ,
Leo ka tsy hita ho antenaiko.
--------
Rohy:
Sokajy :
Fahatsiarovana
Mpakafy:
Arimalala
Hevitra mandeha
tia2005
(
04/08/2005 12:20)
atao ahoana izy rehefa leo fa aleo izy hitady vao ê!
tia2005
(
04/08/2005 12:20)
atao ahoana izy rehefa leo fa aleo izy hitady vao ê!
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : RANAIVOMANANA M Jean FélixNampiditra : ralhix
Daty : 10/02/2005 16:56