Ity tononkalo ity (RANDRIANARIMANANA Jean-Jacques )
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ity tononkalo ityIty tononkalo ity
Dia atolotro ho anao
Ho tsiaron'ny fitia
Izay mitoetra hatrizao
Mivaivay toa fery anaty
Mandoro ny aty foko lalina
Ilay hafatrao toa zary vatsy
Mamelona ahy andro aman'alina
Ireo vazivazikelintsika
Mampihomehy fa mahagaga
Fa ando toa mitondra hatsiaka
Mampitony fo maratra
Toa tsy tsaroana indraindray
Na fotoana na sakafo
Rehefa izaho sy ianao no injay
Tafaresaka tsy miato
Tsy haiko vinaniana koa
Ny hetaheta am-ponao any
Maniry ny hasambaran-tsoa
Hiainantsika eto an-tany
'Zao no mba iangaviako
Tehirizonao ity
Ndrao hiteny izay mahita:
Hoe lasa adala angaha lery ?
Nefa tsy mba hainy akory
Fa fitia lalim-paka
Mandresy ankaso, sorisory
No efa mitoetra sy manjaka
Tsy inoako koa hatramin’izao
Fa minitra vitsy monja
No namoronako ho anao
Ity haingam-po fohy mafonja.
RANDRIANARIMANANA Jean-Jacques 18/10/12
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : RANDRIANARIMANANA Jean-JacquesNampiditra : J.Jacques
Daty : 28/02/2020 23:41