Fanainga lavitra (raozigasy)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Vinany mamy, riam-betsoSombin-kalo an-tsomamby
Indray mikalo am-betsovetso
Te hampita tambitamby
Safosafo arahin-tsefo
Orokoroka mamelona
Kaikikaikitra marefo
Indray mitanina miselona
Tambatambatra angola
Lokilokim-peo konaina
Vaitram-pitia mamon-dola
No sary azoko an-tsaina
Rehefa injay ianao nofisiko
Ka mandravaka ny alina
Adinoko ireo indrisiko
Ny fanainga lavitrao ka lalina
--------
Rohy:
Sokajy :
Aingam-panahy