Raha lonaka (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha lonaka ianao
Mitandrema sao
Tsy mahafehy tena
Ka mizarazara hena

...Raha vokatra fitia
Tandremonao akia
Ny mampanofanofa
Sao sendra ny tsofa

Raha toa ka toba-tsiky
Mitandrema iky
Sao mivarobarotra
Ka sendra zava-tsarotra

Raha toa mitady safo
Fadio re ny mandafo
Sao voavidy ambongadiny
Ka trobaky ny angadiny

Araho am-pahendrena
Ilay onjam-batan-tena
Manofisa anaty
Hivoahan’ny tsy tanty
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
805 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0337