Eny an-dranomasina eny (Herizo Ravonjison Andrianitsiahy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Eny andranomasina

Eny andranomasina eny, kanto ery ny alina.
Tarafin'ny kintana sy volam-penomanana.
Tsy mila elo izany, fa ny lanitra no tafo,
Ny rivotra no tanana, natao hanafosafo!

Eny andranomasina eny misy feo manako,
Manaitra ny fanahy hiantso hoe lamako.
Ny sangin'ny onja izay tsy mba azo ialàna.
No mamadika ny fo ho lampan'ny koràna.

Eny andranomasina eny, midadasika malalaka,
Tsy takona masoandro, eny aho no hipetraka.
Mino aho fa eny no toeram-pitsandrahana,
Ny fahafahana sy ny tena fahasambarana.

Eny andranomasina, eny aho no hiraiko,
Ireo hira nahatsiarovako ilay olon-tiako.
Hombanjiniko eny ny endriny izay efa lasa lavitra,
Mandra-podiny amiko, eny aho no hitoetra.

Nosoratan'i Herizo RAVONJISON ANDRIANITSIAHY
--------
Lien:
272 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0124