DADA (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NOSORATANA TAO ANATIN’NY FANGORAKORAHANA MIFANGARO HATEZERANA, ANIO 10 MAY 2014, NOHO NY FANDRENESANA TRANGA MAMPALAHELO NIAINAN’NY ANKOHONANA IRAY NOHO NY TOETRA TSY MENDRIKA NANANAN’NY RAIM-PIANAKAVIANA :


DADA !

Da…da ! Da…da !...
hoy aho nibadabada
fony nianatra niteny
Saingy i Neny,
i Neny foana ombieny ombieny
no mba hany teo anilako nandritra ny fahazazako
hatramin’ny hatanorako

Dada!
hoy ny hiaka tato am-poko
nitoloko
rehefa nitomany sy nifokofoko
raha ilay mba nila mpiahy
hampitony ny ahiahy…
Fa ianao tsy teo hatrany,
tsy nanony ny tomany,
tsy namaoka ranomaso
fa nanampy ireo ankaso
Tena feno miatiaty
ety ivelany, any anaty
ny kapoaky ny alahelon’
ny fiainanay toa zary helo…

Dada! Dada!
Iny ô Dada ô!
mitondra mofo ô!
hoy ny fiantson’ny ankizy
faly, ravo izaitsizy
rehefa rainy tonga avy any…
Fa ny anay tsy toy izany!
Vao nigadona an-tokonana
ianao, dia fandrahonana
no nivoaka imolotrao.
Daroka isan’andro izao
no anjaranay sy Neny,
sina tsy nahitan-teny!
Rehefa mamo ianao no tonga,
dia tsy mba nisomonga
fa avy hatrany dia namely,
namono tsy hita velively…
Raha azoko natao,
f’efa lehibe aho izao
ho nampihariko aminao
ny hatezerako hatrizao!!!

Dada an!
Fa dia nahoana loatra,
hoy ny saiko misendaotra,
no dia toy izany ianao:
nivari-lavo tsotra izao?
Fa na io fibobohana,
na io fidorohana,
eny koa fandratrana,
ireo karazan’hadalana
dia nataonao avokoa
hatramin’izao, toy ny taloha…
Dia niseho ianao hoe “favy”
ka nanadala vehivavy
sy nidiran’angano
fa nandao ny tokantrano.
Tsy te hiherika aho fa halako
ianao ry Dada adalako!!!
Ity foko mankahala,
ny saiko izay tsy te hahalala
hany sisa no mitoetra
ho anao izay ratsy toetra …

Ny fihetseham-poko ho anao ry Dada
dia nanjary sadasada,
miharoharo ao daholo:
alahelo tsy voasolo,
ary koa hatezerana
tsy voafetry ny erana,
indrisy koa fankahalana
dia lolom-po tsy tana…
Nefa na izany aza,
ianao izay tsy sahaza,
dia hantsoiko hoe Dada foana
na dia tsy tiako hotsaroana…

Hamaranako ny teniko
F’efa ho reraka ny peniko:
“Ho anareo rehetra ray,
sy mbola ho dada rahatrizay,
hajao re ny tokantrano,
nyfitiavana ao mba tano;
halaviro re ny toaka
fa io anie mampisafoaka;
ialao ny fidorohana
sy izay endrika fifohana
tsy mitondra soa akory
fa vao mainka mampahory.
Raha te ho valiam-babena:
foano ny fitiavan-tena!
Aoka samy ho tonga saina,
Manàna ny fahaiza-miaina!”
Dia ho foana ny taraina
ka ny hany sisa ho re lazaina:
dia ny hoe: Dada malala !
Ray tsy manan-tsahala.

RFE Andria – 10/05/14
--------
Rohy:
1504 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 05/02/2015 11:54
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153