IZAHO MINO (RFE Andria)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IZAHO MINOSompatra loatra ny ankason’ny tany
Toa voamaintilany
Alainy tsy miera ny olo-malala
Ka ataony am-bala
Ampatoriany eo am-parafara vato
Tsy misahato…
Kanefa na eo aza izany, tsy adino
Izaho mino
Fa ny tenan’ny maty, any andro iray
Hatsangana indray
Izany teny izany no enti-mampionona
Ny fo notoronina
Ny fahafatesana dia fahavalo
Izay mampimalo
Saingy efa resin’ilay Tompo tia
Ka mandrovi-tsihy
Ho avy ny andro, amin’ny feon-trompetra
Dia hanam-petra!
Izany no fanantenana, banjino!
Izaho mino…
RFE Andria – 05/06/2015
(1 Korintianina 15 : 26, 52-54 “Ny fahafatesana no fahavalo farany horesena... fa vetivety, toy ny indray mipi-maso, ... hotsofina ny trompetra, ary ny maty hatsangana tsy ho lò intsony... Fa ity mety lò ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahalòvana, ary ity mety maty ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahafatesana. Fa rehefa mitafy ny tsi-fahalòvana ity mety maty ity, ary mitafy ny tsi-fahafatesana ity mety maty ity, dia ho tanteraka ny teny voasoratra hoe: Ny fahafatesana noresena ka levona”)
--------
Rohy:
Sokajy :
Fahafatesana - fanantenana
Mpakafy:
andriamahefa2015 - hjravs