NENY HAFA KELY (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
(Nosoratana noho ny fahatsapan'ny zanaka iray toa fankahalan'ny reniny azy)

NENY HAFA KELY

Neny!
tankina ny teny
gina koa ny vavako,
manorika ny tavako
ny rano tsy voafefy
sady tsy voarefy
mitobaka avy am-po
mampaharary an-doha...

Neny!
hoy ny hiaka tsy reny
nivoaka tato anatiko
nitroatra fa tsy tantiko
Moa nandany vatsy
sa inona ny ratsy
izay nataoko anao?
Neny a! ambarao!

Neny!
hay isika ireny
rehefa miara-dia
ka ilaozan'ny fitia?!!
Mihovitra ny foko
misento, mitoloko
fa arian-dreny
eny ananona eny...

Neny!
hoy aho minenineny
maniry hotiavina
saingy ianao tsiravina...
Hatramin'ny fahazazako
sy ny hatanorako
no efa nahatsapako
nataonao toy ny fako...

Neny!
toy ny olona manjeny
mangetaheta fitiavana
saingy tojo fandavana
ity zanakao ity
toy ny verivery dia
ary izany ve? satria
izato fony mbola tia!

Neny!
tiako foana ombieny ombieny
fa tsy haiko ankahalaina
ianao nahary aina!
Hotiaviko hatrany
raha tany koa ny tany
izany Neniko izany
na dia mampitomany...

RFE Andria - 10/10/2016
--------
Rohy:
Sokajy : Fianakaviana - Fitiavana
1254 2
Hevitra mandeha
MAMINTANTELY ( 21/10/2016 12:14)
Kanto ilay asa soratra sady tena mandona fo loatra ilay votoatiny!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : arofanina
Daty : 10/10/2016 17:18
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0107