RY FIRENEKO (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RY FIRENEKO

Mahantra ianao ry fireneko
Nefa toa manankarena
Ny zanakao mipepopepo
Pahina ka mivembena
Dia mandrora mitsilany
Tsy mahay maka lesona
Ka mitsirara amin’ny tany
Vao matory sy miesona…
Soro-baton’ilay jamba
No ataony verimberina
Tsy hifarana angamba
Na ny ainy no hotaperina?
Nefa hoy ny tenin-kendry:
“Soa ho lavo hahay mamindra”
Sa dia efa izay no tendry
Sy mba lova tsy mifindra?
Eo ihany koa ny hoe:
“Soa ho kenda hahay mitsako”
Fa jereo tazano anie
Toa satriny ny ho voalako…
Indrisy mantsy! O! indrisy!
Mahantra ianao ry fireneko
Fa dia izay no zava-misy:
Zanaka tsy am-pahendrena…

RFE Andria – 09/06/2015
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
822 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 09/06/2015 12:11
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0168