TAPAKA (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TAPAKA

Nivaha ny fatorana
Nahandrotra ihany
Tsy natao fato-maty
Tsy nahazaka orana
Nivatravatra an-tany
Mafy ka tsy tanty

Indro fa nirodana
Ilay akany kely
Naorina an-temaka
Indro koa fa fongana
Rava sy niely
Teny an-tany lemaka

Fitia diso toerana
Nandalo dia nisoka
Tsy natao haharitra
Voafetry ny erana
Na dia nilokaloka
Tsy mba voafaritra

21.12.2016
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana - Fitiavana
809 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : arofanina
Daty : 04/05/2017 12:32
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.013