TIA ANAO FOANA (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TIA ANAO FOANA

Dia tsy haiko akia Malala an fa tena tia anao foana
Tsy hay feperana ity foko, tsy manaiky ny anoloana
Ilay fitia raiki-tampisaka, vita sikotra ao anatiny
Mihavao isa-maraina, tsy lany andro raha ny datiny

Tsy taitran’ny hafa intsony aho fa dia tia anao tanteraka
Raha sanatria ilaozanao dia hita ho tena reraka
Aminao no ifantohan’ny fo sy saina amam-panahiko
Tsy mba manan’inon’inona fa ianao no hany ahiko

Ilay tokako eto an-tany, ny fitiavanao no harenako
Andry, tohana ho ahy, sady tehina itehenako
Fibanjiko rehefa indro aho fa tojo zava-tsarotra
Ny fitiavanao ahy no raisiko tsy an-kiady varotra

Na rahoviana na rahoviana raha misy ny fotoana
Ny fitiavako anao tsy maintsy eo hatrany ho tsaroana
Dia tsy haiko akia Malala an fa tena tia anao foana
Tsy hay feperana ity foko, tsy manaiky fanoloana

RFE Andria – 11/05/2015
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1792 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 11/05/2015 12:23
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.016