Ampidiro aloha ny tenimiafina
TSY LAITRA (RFE Andria)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY LAITRARaha ny handika lalàna
Isika Gasy dia igagana
Avy eo migoka ny mafaitra
Dia mitaraina: tsy laitra!
Na ireo mpitondra ambony
Na ny toa antsika itony
Mahita làlana dia taitra
Voadona vao: tsy laitra!
Za-dratsy dia tamàna
Amin-dàlana malama
Anarina fa tsy mandaitra
Lavo avy eo vao: tsy laitra!
Tsy mandala ny raitra
Mankafy ny haitraitra
Ka mibaby ireo takaitra
Vao mitoreo hoe : tsy laitra !
RFE Andria – 06/10/2015
--------
Rohy:
Sokajy :
fananarana
