Ampidiro aloha ny tenimiafina
ZANAHARY O! TAHIO... (RFE Andria)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ZANAHARY O! TAHIO...Onena anao ny foko ry Iarivoko malala
Onena anao izay jihitry ny rano mamanala :
I Sisaony efa vaky ary Ikopa atahorana
Nefa mbola avy foana, tsy mitsahatra ny orana...
Andriamanitra รด! mitodika Aminao : tsinjovy !
Ahinjiro re ny sandry : ireo havanay arovy !
Fa anaty ady mahamay ka tsy afa-mitaraina
Anio alina tsy hatory mandra-pihavin'ny maraina...
RFE Andria - 26/02/15 misasakalina
--------
Rohy:
Sokajy :
Vavaka - Tanindrazana
