TSY NANADINO IZANY IZY.... (Rolly Casimir)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY NANADINO IZANY IZY

Tsy mbola niova izany izy
Mbola ilay malala notiavinao taloha
Mbola ilay fahiny niangavy an-tanan-droa
Sy niezaka nifona raha nisy fahadisoany
Mbola ilay malala nanindry ny ambom-pony
Na inona tsy zakany

Mbola ilay tantarany
Nikaroka ny lafatra amin'ny resaka fitia
Mbola ilay taloha, nanonona hoe : "TSIA"
Teo amin'ny tontolon'ny fitiavana ara-nofo
Mbola ilay mitia tsy miandrandra porofo
Fa tia fotsiny izao

Tsy miova izy hatrizao fa
Mbola ilay fahiny miavaka amin'ny maro
Mbola mankafy antsa tononkalo
Ary tia vaky boky, tsy manaiky leo
Mbola tia mihaino tantara an'onjam-peo
Ilay mandrotsaka tomany
.
Tsy mbola niova izany izy fa...
Mbola tia miresaka karazana fitia
Mbola tia mihaino hiran'i Om-Gui
Dia....mbola tia saka sy karazam-bonikazo
Mbola ilay fahiny, mihaino vazovazo
Rehefa malahelo

Mbola mamelovelo
Ny mamy izay niarahana, tamin'ireny lasa ireny
Mbola mahatsiaro sy malahelo kely
Rehefa mandinika ilay sary tamin'izany
Mbola tafasento sy manganon'ny tomany
Raha vao lalovanao

Tsy nanadino anao izy,
Na dia tsy nanantena ny resaka "hifamerina"
Naratraratra kely izy, fa tsy nasiany nenina
Ny ora sy minitra nolaniany taminao
Ianao no nanadino, fa izy hatramin'izao
Tsy mbola niova izany
(...)

√Rolly Casimir
--------
Rohy:
194 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0193