VALIN-KAFATRA HO AN'I Rado (Rolly Casimir)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VALIN-KAFATRA
(Ho setrin'ilay "Hafatra" nosoratan-dRado)

Eny ry sakaiza a!
Sarotra dia sarotra ny zava-nisy tany
Olona marary sy hatsatra aok'izany
Ary tsy afaka mitsangana eo ambonin'ny fandriana
Dia endrika manjombona mitory fahoriana....
Izay no novantaniko
.....
Dia tsipalotry ny masoko
Ilay raozy mavokely nandravaka latabatra
Kanefa ry sakaiza amin'ny fo tena tsy miangatra:
Tsy mbola sambatra izy raha izay hitako izay
Ary teo an-dohafandriany nahitako sary iray
Somary nohalehibeazina
....
Tsy dia hita io raha ny marina fa...
Nifono lamba mainty ny antsasak'ilay sary
Ary teo ambany nisy soratra voakaly
Sy niangaliana fatratra tamin'ny penina miloko:
"Tsy hanadino anao ny saiko sy ny foko
Mandra-pialam-pofonaiko"
....
Ary saika tsy ho lazaiko
Kanefa haborako ihany fa 'ndrao hananan-tsiny:
Mbola hitako any ilay diariny fahiny
Nitahirizany ireo lasa niombonanareo roa
Ny pejy faraparany nasiany sary fo
Misy olatra sy fery.
....
Lasa saina kely aho
Nandinika ireo soratra misarina adi-rima
Feno fanenenana sy tsiaro mangingina
Ny longoa mitoto-bozaka namitahany ny tiany
"Io no nosoratany talohan'ny naharariany"
Hoy ny reniny nanazava tamiko
....
Sendra mba tsikaritro
Raha nomena fanafody izy ka narenina ny lohany
Hay sarinao no tao ambany ondany
Ary tamin'izay indrindra no nifandray ny tananay
Sekaondra vitsy monja taorian'izay
Dia...nilaza ho sitrana izy
....
Ary tamin'izay vao tsapako fa...aretim-pitia no nahazo azy
Nanontany ny momba ani'se foana izy fa tsy nilaza na inona na inona aho


√Rolly Casimir

"Ny tena soldat, maty izay vao resy"
--------
Rohy:
199 1
Mpakafy: Eliasy
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146