NANJARY TIAKO (Ryana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NANJARY TIAKO

Tatarasy vitsivitsy no nifandefasana
Dia babo, rendrika aho;
Fotoana kely fohy no hany niresahana
Dia very remby aho…

Ny feonao manako, misangy nefa matotra,
Manako ato an-tsofiko
Ny sarinao sariaka mitsiky toa tsy rototra,
Manemitra ny nofiko...

Tsy fantatro mazava izay tadiavinao,
Sy izay hoe faniriana.
Ny hany mba inoako dia ny fikatsahanao,
Maniry ny hanan-tiana…

Nony isika nihaona, tsy vatra hotantaraina
Ny traotran’ity foko
Ianao ve ilay nandrasako, sa tonga ny maraina
Lasa ny toloko…

Vavaka no akariko amin’ny Ao Ambony
Hitantana tsy handao,
Raha izay no sitrany, ny onja zary hitony
Hotafaray izaho sy ianao

Ryana
(10/04/2013)
--------
Rohy:
3833 1
Mpakafy: sylvio05
Hevitra mandeha
moi ( 28/04/2014 10:15)
Nanjary tiako kokoa ilay namako marina ! Tsy ampoizina tokoa ange e, fa dia nifanandrify teny ...
Ryana-1 ( 28/04/2014 10:34)
Tsara izany ry "Moi" a! Ny tononkalo voasoratra ve no nanjary nahatonga anao tia kokoa?
Mankasitraka e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141