Ampidiro aloha ny tenimiafina
NY HO AMPITSON'I GASIKARA (TSIFERANA)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Asa ianao raha mahatsikaritra fa...Efa taratry ny ankaso,
Raha ianao manopy maso.
Ny hanjo ny firenena,
Hono mantsy mahaleo tena.
*
Ankalazaina izao ny fety,
Atao izay fantatra fa mety,
Hirehavana amin'ny hafa,
Fa ny gasy hono mbola hafa!
Saingy nofy ihany anefa fa...
*
Matsatso loha toy ny fary,
Manivaiva an-janahary,
Amin'ny saina tsy mitsinjo,
Manao kely tsy mamindro.
Valalanina ny saina fa...
*
Ny hafa tambatambazana,
Hivarotana ny tanindrazana,
Fa ireo gasy mihary sy mitady,
Tarihana ho any an-kady,
Ny tena mahavariana aza dia...
*
Ireo harendrin-taratasy,
Efam-bidintsika gasy,
Nosoloin'ireo vahiny,
Izay eritreriny sy tiany.
Tsy ho momoka aho anefa fa...
*
Hiandrandra hatrany ny maraina,
Mba hisy iray ho tonga saina,
Hanasoa sy hanatsara,
Ny ampitsonao ry Gasikara.
Ireo mpitondra miady seza!
#TSIFERANA (21/06/2018)
--------
Rohy:
Sokajy :
Tanindrazana
Mpakafy:
R.E.R
