MENA MASOANDRO (TsiferanaII)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mody omby hono dia mena masoandro
Famantaran’ora ho anay tantsaha
Miramirana ery te hahafantatra ny nahandro
Tomady vatana tsisy mampanahy

Toa hita ery dada ilay mody ao antrano
Miaraka amin’ny angady sy tsikitsiky mpitia
Tantaraiko anao ry zandriy dia toa angano
Nefa izay no efa niainanay tety

Ny diavolan-mpahasambarana tamin’izany
Etsy indray angeh ho tantaraiko anao
Ny kilalao nataonay dia iray ihany
Ankamantantra foana isanandro izao

Tiako hiverenana izany fahinim-pahasambarana
Saingy indrisy fa lasa sento kely iray monja
Ilay dada vao tonga dia efa mangarangarana
Menamasoandronay no tantara tena nahafonja
--------
Rohy:
Sokajy : Fahatsiarovana
500 1
Mpakafy: TsiferanaII
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : TsiferanaII
Nampiditra : TsiferanaII
Daty : 13/03/2023 12:12
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0158