Rehefa tia (Vetso mena)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
1- Rehefa tena tia dia mahatsapa hafaliana
Sambatsambatra ery fa akaikin’olon-tiana
Mizara teny mamy no sady feno tsikitsiky
Hany fahasambarana foana no hita mitsiry

2- Rehefa tena tia koa anefa mety misy tomany
Mety hisedra olana, mila tsy ho hita izay hiafarany
Na ny fisarahina na ny hakiviana, samy mankarary
Toa tsapanao mafy anatinao any ity fonao maharary

3- Rehefa tena tia, indraindray tsy mba mahatsapa
Fa ny tena tiana anie tsy tokony ho rarana
Raha tena tia izy, dia miverina Aminao ihany
Fa raha tsy tia izy dia aza arahina Tomany

4- Rehefa tena tia koa anefa, na mafy aza ny fiarahana
Ny fiafaran’ity fiainana ity koa dia fisarahina
Mety tsy an-tsainao izao ny tena hanome fitiavana
Fa rehefa nandao izy vao sendran’ilay hoe te hihavana

5- Rehefa tena tia, dia ezaho ho zaraina hatrany
Fa tsy ho fantatra izay hiseho indray androany
Ka matoa ianao androany dia mbola mahita azy
Dia tokony hizara hatrany ilay fitiavana tsy misy vazivazy
--------
Rohy:
168 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143