Tany iray, teny iray (Vetso mena)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny taniko dia MadagasikaraNy teniko dia ny malagasy
Izaho anefa ity toa tsy mangarahara
Tsy afa-mijoro fa hoe Gasy
Ry tanindrazako malala
Gasikara niriako ho soa
Tsy dia teo intsony moa ilay fitiavana tsy miala
Fa nolevonina avokoa
Tiako hirehitra ato am-poko
Tsy ho faty mandrakizay
Fa avy aminao no niaviako
Ka aminao no hiafarana
--------
Rohy:
Sokajy :
Tanindrazana