Fo ny ahy ny fo (Zay LAFATRA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha toa ianao ka ory,
ka mahatsiaro tena irery,
aza hadino fa tolory,
ilay tsiky iray mahery.

Dia ny fianarana atao tsara,
f'io no lova tsara indrindra,
dia aza mba manao tara,
raha toa ianao tehifindra.

Hadinoy tsikelikely
ireo zavatra mangenja,
manohitohina ny fianaranao,
avelao mahereza.

Ny risiky namana,
amin-java-dratsy,
aoka ho toherina,
aoka mba ho lavina,
f'io mbola ho "tratsy".

f'ianao mila miharitra,
raha maniry ny ho tafa,
ho tafavoaky ny vala,
mba hitovy amin'ny hafa.

tena tsindriako mafy:
fa fahavoazana indrindra,
ho an'ireo tsy mba mihafy,
sy tia manindrahindra,
ka mbola mapirafy,
ao anaty habadoana.

fa aoka kosa aky,
mba hitohetra ao am-po,
ilay olona iray ,
na fitia tsy nivaky,
fa fo ny ahy ny fo.*

8 fév 2018 #Zay_LAFATRA
--------
Rohy:
547 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101