You are here: home > Vetso

Ny zo Rado Herizo

Lehilahy malagasy
tia penina sy taratasy
mankato an'andriamanitra
Na mbola  eto na  any an-danitra
telopolo ranonorana
efa manana fatorana
sy nomena ajara adidy
efa nisedra ny mangidy
efa nigoka koa ny mamy
sady manantena hatrany
satria moa tsy mpaminany
fa ny Tompo mbola hanampy
Izay efa nomeny hatrizay

Hametraka hevitra

Midira aloha