Ho inonao - Ny zo Rado Herizo
Azo vakiana?
Ho inonao ny sento
raha toa ka avy aminao no niavian'ny fahoriana
Ho inonao ny tsiky raha ny fifalianao no hampisy fijaliana
Sento ngidy sy mandratra
Tsiky eso miaro latsa
Tsikitsikim-pahoriana
Sentosento toa niriana
Ho inonao anefa ireny ?
Nahoana ianao no tsy miteny ?
Ny zo
Hevitra mandeha
nyeja (21/11/2004 10:50:34)
sarotra tokoa anie ny mamaly ilay fanontaniana e ka dia naleony aloha tsy niteny angamba ! tsara be ilay tononkalo
mahereza an
nyzo (27/11/2004 11:48:40)
Misaotra nyeja !
manome fampaherezana ho anao ihany koa . Tsara hoy ianao ilay tononkalo, misaotra ary lazaiko ihany koa anefa fa isan'ny mahafinaritra ahy ny mamaky sy mandinika ireo hevi-dalina fonosin'ny asa soratrao.
mazotoa !
vetsoko (07/12/2004 18:13:45)
enga anie ka tsy ho ahy ilay fanontaniana? mangataka izay tojo ilay fanontaniana mba hamaly
misaotra an'i nyzo
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Ny zo Rado Herizo
Nampiditra : nyzoDaty : 18/11/2004
Mpamangy : 2616
Mankafy : 3
Tononkalo hafa
INY OLONA INYALEO MANADINO
Noelin'ilay mpanasa lamba
Tsaroako
Tsaroako
Ny tena fitiavana
Vavaka
Handroso fa matoky
Adala taminao
Ny zo