Vavaka (Ny zo Rado Herizo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Impiry aho moa ry Tompo
no tsy nangataka aminao
mba hahazo famelana
amin'nyota izay natao ?

Impiry aho no tsy voavonjy ?
impiry koa no tsy voavela
impiry koa no tsy nampiana
na hoe nania ka nariana ?
Toa fiangotiana tafaoatra
mila ho lasa hararaotra
ka raha tsy to izay niriana
dia sahy milaza fa tsy tiana

Nefa ianao tsy mba sorena
noho ity fitiavan-tena
feno fanandratan-tena
noho ireo voadiko tsy to
noho ity fisainako miha-lo

Menatra aho..... tsy sahy miandrandra
ka mbola hangataka indray
dia hilaza an'itsy sy an'iroa
nefa avy eo tsy hanka-to
Na hanonona voady
nefa avy eo hanapa-tady

tsy sahy aho
menatra aho
sao ho tezitra eo Ianao.

Ka ny sisa ho lazaikao
avy amin'ny fo sy avy amin'ny saiko
dia teny tsotra toy izao:
"MAMINDRA FO AMIKO " Amen.

Ny zo
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
4824 0
Hevitra mandeha
NyKanto ( 25/11/2004 12:03)
Izay manetry tena no asandratra.
SOBIKA ( 25/11/2004 15:43)
andray tena latsaka mintsy ny ranomasoko namaky ilay tonokalonao! tena marina zato isnjato ary fiainana tena ilomanosan'ny olona maro! nandona ahy le izy satria izaho koa misaina toy izany!
Miraray anao hahavita be @ asa soratra eh!
Sobika
bichette ( 25/11/2004 17:03)
mahereza hatrany ry nyzo a
nyzo ( 26/11/2004 09:50)
Faly miarahaba anareo rehetra aho.
Misaotra anareo manome fampaherezana sy famporisihina amin'ny fanaovana ity asa soratra ity. Ny marina dia fialam-boliko tena tiako indrindra izy ity ary ihany koa entiko milaza ny tranga misy sy hitako eo amin'ny fiainana lalovako. Mirary anareo rehetra hahavita be ihany koa aho ary ny Tompon'ny hery rehetra anie hanohana sy hanampy anareo.
Misaotra NyKanto, SOBIKA, bichette.
Mahereza
vetsoko ( 07/12/2004 18:17)
Fantatro fa talenta avy @ tompo
koloy ho soa
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny zo Rado Herizo
Nampiditra : nyzo
Daty : 25/11/2004 09:56
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137