Adala taminao - Ny zo Rado Herizo
Azo vakiana?
Adala hono aho
Satria nitia anao angamba
Ka zary toa adinoko ny manodidina ahy
Kanefa dia tsaroako fa fenonao ilay banga
Soa ihany aho fa nitia anao.
Adala hono aho
adala noho ianao
Kanefa dia lazaiko
fa ravo ny fanahiko
milamina ny saiko
Lasa ny ahiahiko
Soa ihany aho fa nitia anao
Mety adala ihany aho
Angamba fa tsy haiko
Kanefa ianao lazaina fa fototr'ahiahiko
no indro ankehitriny fa firavom-panahiko
Soa ihany aho
fa adala taminao
Ny zo
Hevitra mandeha
angegasikara (27/11/2004 11:00:37)
Salut!
J'aime beaucoup ton poème "Adala taminao".
Je me sens un peu concernée et je comprends le message de ton poème.Merci mille fois.
Bonne continuation.
Ange.
nyzo (27/11/2004 11:55:58)
Salut angegasikara !
Misaotra ary mirary fahazotoana ho anao ihany koa !
Ny zo
SOBIKA (29/11/2004 16:14:30)
andray tena chapô t@ le tonokalonao! noheveriko fa we za irery ihany ity adala ity ka tsika maromaro no mpiakambana ao! ze tia tokoa hono adala eh! raha mahaliana anao mba jereo ny tonokaloko \"ho anao ry tiako \" so no pseudoko!
mirary anao hamorona tonokalo maro ndray aru eh Sobika
vetsoko (13/12/2004 18:49:42)
tsy hita e!vorona azn'adala ny antsika...
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Ny zo Rado Herizo
Nampiditra : nyzoDaty : 26/11/2004
Mpamangy : 4130
Mankafy : 2
Tononkalo hafa
INY OLONA INYALEO MANADINO
Noelin'ilay mpanasa lamba
Ho inonao
Tsaroako
Tsaroako
Ny tena fitiavana
Vavaka
Handroso fa matoky
Ny zo