INY OLONA INY (Ny zo Rado Herizo)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Atolotro ilay olon-tiako izay tezitra amiko nohon'iny olona iny...


Lazaiko anao rahavako
fa iny olona iny
tami-fandalovany
tamin'ny fiainako
dia tsy naka na nampiova
na kely akory aza
tamin'lay fitiavako
nomeko anao rahavako


Ninoako indrindra aza
fa ilay fisiany
no tanana namehy
nanamafy fatotra
ilay fitiavantsika
ka nahatonga antsika
hanavao indray
ireo dina nifanaovana

Ka averiko etoana
hamafisiko orina
f'ianao dia tiako fatratra
ka raha tsy tonga lafatra
ny fomba fitiavako
dia izao no ataovy an-tsaina
izay rehetra ananako
ny fo sy ny saina ary koa ny tanako
Dia foiko ho anao
ho anao ilay renin-janako

Ny zo
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana - Fianakaviana
4812 1
Hevitra mandeha
loloniary ( 08/03/2006 10:30)
misaotra anao ray manam-pitiavana bdb toy izany;
fiaritiana ( 16/06/2006 06:25)
misaotra anao fa tena manam-pitiavana tokoa!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny zo Rado Herizo
Nampiditra : nyzo
Daty : 07/03/2006 11:26
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0112