Handroso fa matoky (Ny zo Rado Herizo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hisy ady tsy ho mora
hisy eso sy akora
hisy lalana malama
eny an-dalana hombana
Nefa Tompo tsy hanahy
Fa hijoro ka ho sahy
N'inon'inona hisakana
Dia hatoky anao ry Ray mpitantana

Mety ho kivy sy ho ketraka
mety hiharan-hetraketraka
mety hilaozan'olon-tiana
ka ho irery sy hangina
Tsy hihemotra ry Tompo
Fa HANDROSO hatrany ity mpanompo
N'inon'inona hisakana
Dia HATOKY anao ry Ray mpitantana

Ny zo
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
2608 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny zo Rado Herizo
Nampiditra : nyzo
Daty : 26/11/2004 14:17
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0094