You are here: home > Vetso

Noelin'ilay mpanasa lamba - Ny zo Rado Herizo

Azo vakiana?

Noelim-pifaliana
Noelim-pihobiana
izay no nantenaina
izay no tao an-tsainy
ary tena nandrandrainy

dia niezak' izy niasa
nipasoka, nanasa
mba hisy ambim-bava
ankoatran'ny sakafo noheveriny ho sahaza

dia tonga ary ny Noely
fa saingy tsy hafakely
fa toy ny isan'andro
zara raha mahandro
Mitohy koa ny asa
mipasoka, manasa
Kanefa andro Noely
Lay andro hafakely

fa raha ny tao an-tsainy
sy ny nantenainy
dia noelim-pihobiana
noelim-pifaliana

               Ny zo

Sokajy : Fiainana

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Ny zo Rado Herizo

Nampiditra : nyzo
Daty : 14/12/2005
Mpamangy : 2549
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

INY OLONA INY
ALEO MANADINO
Ho inonao
Tsaroako
Tsaroako
Ny tena fitiavana
Vavaka
Handroso fa matoky
Adala taminao
Ny zo