Tsaroako (Ny zo Rado Herizo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Isaky ny mitopa midoboka ny onja
dia injany tsaroako midoboka koa
Ilay foko toa feno sy tena mafonja
Zay singan'irery fa nisara-droa

Tsaroako ilay masonao nanganohano
Ilay tsiky niserana anaty tomany
Mahita ity fasika vonton'ny rano
Nahoana no sompatra ianao re ry tany ?

Tsaroako ilay feonao nibitsika mora
Nilaza ny akon'ny fo mbola tia
Mahita ireto onja toa velon'akora
an'ity izaho nanda kanefa dia tia

Eto vao tsapako ny hadisoako
eto vao hitako ny fahalemeko
Nahoana eny iky no izao vao tsaroako
F'Ianao no ilay tokana izay FANDRESEKO.

Ndeha hiezaka ho any aho
sao mbola tsy tara

Ny zo
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2468 0
Hevitra mandeha
vetsoko ( 07/12/2004 18:11)
INDRAINDRAY TSY ARAKA IZAY NOHERITRERETINA NY FIZOTRAN'NY FIAINAM-PITIAVANA.
Ianao miomana ny hiteny hoe "A",rehefa tonga eo ianao dia "b" no voalazanao,traikefa io
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny zo Rado Herizo
Nampiditra : nyzo
Daty : 24/11/2004 11:34
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01