You are here: home > Vetso

AMBADIKA - Ainampaniry Anjara Nivo

Azo vakiana?

AMBADIKA

Firifiry moa ireo milaza ho tsy tambazana
Mitonona ny tenany hoe tia ny tanindrazana?
Kanefa ny any ambadik' izany teny izany
Dia fo mitady handrombaka ny harena an-kibontany.

Ny teny avy any ambavany toa tany midadasika
Ny toky izay lazainy tsy hita isa toy ny fasika
Fa ny tena anton' ireny teny ireny
Dia fanarontsaronana ny haben'ny hafetseny.

Ny ho fihetsiny voakajy sy voaomana mialoha
Ho tena fanehoana fa hoe vokatry ny fo
Kanefa ny ao ambadik' io fihetsiketsika io
Dia loton-tsaina maizina ezahana hadio.

Ainampaniry Anjara Nivo