MIALOHA NY HILAZÀNA (AnjaraNivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MIALOHA NY HILAZÀNA

Mety mbola hivadika ny fiainana any aoriana,
Ka aza mba tsiniana ny ahy fa fo manafatrafatra:
Mialoha ny hilazàna teny iray fanambaniana
Dia manontania tena aloha raha efa tonga lafatra!

Mety mbola hanjavona ny anananao anio,
Ary izay ambany androany mety mbola ho tafita.
Manan-jo hirehareha ianao kanefa tadidio:
Fa tsy misy mahalala izay hiseho rahampitso isika.

Manàna fo mitoetra eo amin'ny trangam-piainan'ny hafa
Hahaizanao mahatsapa fa tsy ianao no ambony indrindra,
Samy mbola olombelona ka aoka tsy hifandatsa
Fa ny harena hifandrombahana ary mety hifindrafindra.

Isika tsy mahafantatra izay fiainana any aoriana
Ka aza mba tsianiana ny ahy fa fo mba te hanafatra:
Mialoha ny hilazàna teny iray fanambaniana
Dia manontania tena aloha raha efa tonga lafatra.

AnjaraNivo
--------
Rohy:
501 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AnjaraNivo
Nampiditra : Ainampaniry Anjara Nivo
Daty : 25/05/2022 02:17
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01