You are here: home > Vetso

NY TOETRANY - AnjaraNivo

Azo vakiana?

NY TOETRANY

Manana adidy karazany maro
Kanefa fantaro fa tena marefo
Ilay fatra-pitepo voafonon'ny tratra
Mora voadona dia mora voaratra

Mora mahatsapa ny mangirifiry
Mahay mitahiry raha tohina kelin'
Ny teny mahery masiaka ankiray
Fa mamela heloka kosa indraindray

Afa-mandray ny karazana lesona
Indrindra voalefona anaty fitia
Sy diso fandia tamin'ny lalan'ny ditra
Fa afa-manitsy ny lalany sisa.

Manana toetra malemy sy tsotra
Manana trosa amin'ny vitany teto
Manana sento tsy mbola voavaky
Ary mety mitsaha-mitepo sy maty.

AnjaraNivo