You are here: home > Vetso

RY...! - AnjaraNivo

Azo vakiana?

RY...!

Izay olo-nandalo tanatin'ny foko:
Maro no naka fitia dia nifindra.
Tsy nisy niangarana saingy tsaroako
F'ianao no nahazo ny betsaka indrindra!

Ny zavatra lasa ka tonga tantara:
Dia sary no sisa na tsara na ratsy
F'ianao iny inoana mbola hanana anjara
fonenana anaty fo mandrapahafaty!

Izay soa nifanaovana nisy hamamiana:
Ankasitrahana feno avokoa;
Kanefa izy ireny raha toa sokajiana:
"Ianao no nahazo ny amboara voaloha"!

Na firy na firy ireo mbola hifandimby
Sy hanandrana tsirom-pitiavana atÿ,
Angamba tsy misy mahavita manidy
Ny tsiaroko anao ry "voaloham-pitia"!

AnjaraNivo