TONGAVA SOA (AnjaraNivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TONGAVA SOA

Mikisaka mora manaraka ny andro,
Mihavery mihavery ny fahavelomana.
Tsy maintsy mitranga ny loza sy atambo,
Ka firy amintsika no mba efa niomana?

Ny tany fisiana koa lalana ihany;
Lalovana fotsiny saingy mandavo.
Raha ho avy izany ora tsy ampoizina izany,
Ny anaranareo ve mba fantatry ny avo?

Marina, ekena, olombelona isika;
Mibebaka dia miova lalana indray.
Fa raha te ho mponina any am-paradisa
Dia miala amin'izay foto-kevitra izay.

Azy mpandahatra ny antso rehetra,
Tsy tsinin'ireo olon-dasa voaloha
Fa ny fiainana iainana etÿ manam-petra;
Veloma, masîna dia tongava soa!

AnjaraNivo
--------
Rohy:
439 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AnjaraNivo
Nampiditra : Ainampaniry Anjara Nivo
Daty : 08/04/2023 10:43
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0113