SOAVA (AnjaraNivo)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny hafatra kely navelany hoe:

"Tiavo izay mbola ao afara,
Ny antsika fo tia fa tsy anjara
Ka tsy afahana mihoatra ny fefy.

Areno izay hita tsy nety,
Dia mahaiza mikolo fitiavana!
Ho tojo izay azo hiantsapazana anie
Ny fonao noratrain'ny fahiny.

Ho lasan'izay ny hirifiry!
Ny tso-drano koa zava-mahery.
Ny Andriananahary fitiavana anie tsy hamela ny fonao ho irery"!

AnjaraNivo
--------
Rohy:
172 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AnjaraNivo
Nampiditra : Ainampaniry Anjara Nivo
Daty : 01/12/2023 16:59
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141