SAOTRA (AnjaraNivo)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SAOTRA

Ilay nahavita nanitsaka karazam-pejy maro,
Hitanao daholo rehefa teny mifangaro.
Tsapanao ny ratra dia tsapanao ny fery;
Ianao no lohalaharana nahafantatra azy ireny.

Manam-boninahitra amin'ny sangan'asa nisy;
Vatranao napetraka ny "sentom-po" sy "indrisy",
Hatramin'ny alahelo nodimbiasan'adin-tsaina:
Nekenao fa iraka natokana hovitaina.

Ka mbola arahabaina fa nanoratra tantara:
"Ny donam-pisarahana", "fitiavana tsy anjara",
Tao koa ny asa soratra naneho "firaisan-kina",
Dia nisy tononkalo ho an'ireo nitia mangina.

Vitanao ny adidy tamin'ny fiaraha-miasantsika
R'ilay mpisolo andraikitra ny fo marisarisa.
Ianao no nialoha lalana izay tsy haiko notenenina.
Misaotra anao ny kantoko, "misaotra anao ry PENINA"!

AnjaraNivo
--------
Rohy:
447 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AnjaraNivo
Nampiditra : Ainampaniry Anjara Nivo
Daty : 24/04/2023 20:50
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01