TAHIRY (AnjaraNivo)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TAHIRY

Na mbola iangaliako izay tantara izay,
Tsy hiverina akory fa zavatra vita;
Ka tetika monja ny ho mandrakizay
Fa rehefa tsy anjara dia embona sisa.

Na kolokoloiko ny diarin'ny lasa
Sy soa nifanaovana tsara tahiry;
Ny tena fitiavana rehetra nandratra
Raha sendra tadidy, mampangirifiry.

'Ndraindray miantsoantso fifalifaliana
Amin'ny andro ipoiran'ireo tsiaro ireo;
F'indrisy na tiana na mbola tsy tiana:
"Ny foko tsy hahay hanadino anareo" !

AnjaraNivo
--------
Lien:
587 2
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : AnjaraNivo
Inséré par : Ainampaniry Anjara Nivo
Date : 02/02/2024 10:08
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0158