You are here: home > Vetso

ASIO FAHANGINANA - Ainampaniry Anjara Nivo

Azo vakiana?

ASIO FAHANGINANA

Asio fahanginana minitra fohy,
Dinidiniho ny tantaranao lasa,
Saintsaino tsara sy tsakotsakoy dia
hakao traikefa izay lala-nandratra.

Asio eritreritra ny ho avy tsy hita,
Herezo ny saina, mahaiza mandrasa;
Tratraro ny tanjona mbola tsy vita,
Vimbino koa ny anatra nentin'ny lasa.

Dinidiniho fa ny lasa rehetra
no lesona feno sy lafatra indrindra.
Dingana ireny no sady fepetra,
ampinga, arofanina hoenti-mandrindra:

ny fomba hizoran'ny tongotrao roa
hamakivaky, handia lalan-tery;
handresy ny sakana sy ny longoa,
Hanandratra anao mba ho olo-mahery.

Ainampaniry Anjara Nivo