You are here: home > Vetso

ENY RY ZOKY - Ainampaniry Anjara Nivo

Azo vakiana?

ENY RY ZOKY

Eny  ry  zoky  voadona  ianao  izao
Nasosan'ny  fotan'ny  fiaina-malama;
Hitako  ireny,  isaorako  anao,
Fa  sary  manoro  ny  lalan-kombàna.

Eny  misaotra  ny  fonao  voadona
Namela  fahaizana  hokolokoloiko,
Hahaizako  hitandrina  sady  hanamora
Ny  ho  avin'ny  fiainam-pitiavan'ny  foko.

Ainampaniry  Anjara  Nivo

Sokajy : fahendrena, Fitiavana