You are here: home > Vetso

HAY NY FITIA - AnjaraNivo

Azo vakiana?

HAY NY FITIA

Tsy laitran'ny foko ny manina anao
Eny hatrizao tsy mitony ao anaty
Mila ho fatin'ny embona loatra
Fa tsy afa-manoatra satria lavi-tiana.
Hay ny fitia koa fangirifiriana.

Rehefa ny tiana no tsy eo anoloana
Tsy misy fotoana tsy mba hisentoana
Na andro na ora na aiza na aiza
Dia tsy afa-makaiza fa lavi-malala.
Hay ity fitiavana ity manadala.

Fa tena sahala amin'ny very fitia
Ny foko satria toa manjetoka lava
Ny maso eo an-tava toa manganohano
Ny nofoko trano fitoeran-tomany.
Hay iry fitiavana ity mampijaly.

Ainampaniry AnjaraNivo