MAHAIZA MAMAKY (AnjaraNivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MAHAIZA MAMAKY

Mahaiza mamaky ny toetry ny tena
Alohan'ny hitiavana olona iray
Satria ny fitiavana fifanekena
Firavaka hoetina mandrakizay

Hitoetra ambozonan'izay nobaboina
Nafoina ho lasany iray manontolo
Raha sendra tinapaka saro-tsaboina
Ra sendra tsy sitrana sarotra hasolo.

Mahaiza mamaky ny fo ao anaty
Dia fero tsy hitia raha mikendry ny hanitsaka
Ny tena fitiavana mantsy mahafaty
Manody amin'ny taranak'olom-pamitaka.

Handindona foana amin'ny andronao sisa
Ny ratran'ny tia nofitahana omaly.
Ka fero ny fonao tsy hirona amin'ny ditra,
Ovao ny famindra manomboka androany!

Ainampaniry Anjara Nivo
--------
Rohy:
632 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AnjaraNivo
Nampiditra : Ainampaniry Anjara Nivo
Daty : 06/11/2021 17:34
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152