MANGATA-PAMELÀNA - AnjaraNivo
Azo vakiana?
MANGATA-PAMELÀNA
Ry tomponay nahary ny nofonay rehetra!
Aoka ianao hitsetra ny amin'ny olana manjo.
Aoka hamindra fo fa efa fay ny zanakao.
Tena mitalaho sy mahatsapa tena ho diso,
Ka ny hoavinay rahampitso mba fenoy fahazavàna.
Ivalozana eto ny ditra sy adalàna,
Niniana nandikàna ny didy efa napetraka.
Mifona f'efa ketraka sy lavo, tsy tafarina;
Mifona sy miangavy f'efa vonona hanajanona
Ny fomba nahazatra tena hita fa tsy nety.
Mifona f'efa resy!
Mifona izahay fa reraka nilalao fahotàna.
Mifona fa nitsipaka ny didy sy lalàna.
Matetika mivoady izahay fa vonona ny hiova,
Vonona ny handova ny fiainam-paradisa
Kanefa dia mahavita ny miova loko indray
Rehefa injay fa mafy ny ady izay atrehina.
Mendrika ho potehina ny zanaka ohatra anay.
Mendrika hizotra an'afobe rahatrizay.
Kanefa aoka Ray ianao tsy hamela anay ho rava.
Aoka ianao hilaza teny famotsoran-keloka,
Mantsy efa nanepotra ny rivotra nofohana
Noho ireo torovohana natolotr'i satana.
Ry Andriamanitray ô! Mangata-pamelàna.
Ainampaniry Anjara Nivo
Mombamomba
Mpanoratra : AnjaraNivo

Nampiditra : Ainampaniry Anjara Nivo
Daty : 20/09/2021
Mpamangy : 264
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
NY TOETRANYMIALOHA NY HILAZÀNA
FIFAMELÀNA
REHEFA TSY ANJARA
HAY NY FITIA
NY FO
MAHAIZA MAMAKY
NIOVA
SAINO KELY
NY METY AMINTSIKA