FIFAMELÀNA - AnjaraNivo
FIFAMELÀNA
Na misy aza hetraketraka navelan'olon-kafa,
Ny lolom-po anaty mira ratra ho an'ny tena;
Ka aza maka aretina amin'ny fiainana efa lasa
Fa ny tokana fanefitra ho anao dia mifamela.
Endri-pahendrena sady mendri-pideràna
Moa toetra azo hianarana volena ihany koa
Ny toetra mankamamy sy mitia fifamelàna
Fa fahatsaràna anaty izany hoe madio am-po.
Irika hampamoa ny fihavanana efa simba
Ny tsy manaiky ho resim-pankahalàna an-taona maro,
Ary tena voninahitra ho anao indrindra indrindra
Ny hoe mandray ho namana izay rehetra fahavalo.
AnjaraNivo
Mombamomba
Mpanoratra : AnjaraNivo

Nampiditra : Ainampaniry Anjara Nivo
Daty : 24/04/2022
Mpamangy : 195
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
MIALOHA NY HILAZÀNAREHEFA TSY ANJARA
HAY NY FITIA
NY FO
MAHAIZA MAMAKY
NIOVA
SAINO KELY
NY METY AMINTSIKA
MANGATA-PAMELÀNA
MAZÀNA NY OLON-KENDRY