You are here: home > Vetso

NY FO - Ainampaniry AnjaraNivo

Azo vakiana?

NY FO

Ny fo raha nilaozana marary ihany
Kanefa na izany tsy vaky tsy akory
Mahaiza mitony fa ny olo-nandao
Tsy anatin'ny lisitry ny anjaranao.

Ny fo raha voadona mivonto ao anaty
Kanefa tsy maty f'hatrakao ny loha
Fafazo ny voa ho an'ny fon'olon-kafa
Dia aza manjono ny fo efa lasa.

Ny fo raha nolavin'izay niantefàny
Aza tomany ary aza sendoatra
Mahaiza mamboatra fitia hafa loko
Dia aza mitepo amin'izay manan-tompo.

Ainampaniry AnjaraNivo