NY METY AMINTSIKA - Ainampaniry AnjaraNivo
NY METY AMINTSIKA
Mahazo mifona raha toa mahatadidy,
Mahazo mangataka ho namana indray.
Fa raha ny fitiavan'ny foko efa mihidy.
Efa mikatona ho an'olona iray!
Tsy azo vohaina hitia izay nivoaka
Tsy azo iverenanan'ny lasa tsy tana.
Fa ato efa feno fitia ny kapoaka
Tsy foiko ho tampohana rano mafana.
Tsidiho ilay malalan'ny fonao fahiny
Raha toa efa maina ny ferinao any
Fa raha ny hifamerina kosa, "aza tsiny";
Ny mety amintsika: mpinamana ihany!
Dia aza mikiry manjono ny foko,
Fa izy efa fay tamin'ny zavatra vita
Ka ialàko tsiny raha toa hadisoako hoe:
"Mpinamana ihany no mety amintsika"!
Avia manatòna raha toa mahatadidy
Tongava mangataka ho namana indray
Fa raha ny fitiavan'ny foko efa mihidy,
Mihidy ho an'ny vadiko mandrakizay!
Ainampaniry Anjara Nivo
Hevitra mandeha
Ilay FANAMBY (26/09/2021 08:09:09)
Zany ve,misaotra anao aloha fa io no nahazo ahy vao tsi ela akory a,tokony mba omena fakaherezana re a
Mombamomba
Mpanoratra : Ainampaniry AnjaraNivo

Nampiditra : Ainampaniry Anjara Nivo
Daty : 24/09/2021
Mpamangy : 520
Mankafy : 3
Tononkalo hafa
FIFAMELÀNANy...
REHEFA TSY ANJARA
HAY NY FITIA
NY FO
MARARY NY AINA
MAHAIZA MAMAKY
NIOVA
SAINO KELY
NISARAKA IANAREO